Hanampiana ny mpiompy tantely iatrehana ny valan’aretina COVID-19 dia nametraka fomba fiasa manokana ny fandaharan’asa Fihariana. Araho eto ary ny andinindinin’izany miaraka amin’ny tompon’andraikitra

Ao anatin’ny fiatrehana feno ny COVID-19 sy ny vokany eo amin’ny toe-karena i Madagasikara ankehitriny. Namaliana ny fangatahan’ny sehatra tsy miankina manoloana izany dia napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolotra Miarina by Fihariana.

Manazava ny andinindininy momba izany sy momba ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny ankapobeny i Harris Ramiandrisoa, mpikambana ao amin’ny komity mpifantina.

Anio maraina no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana ireo ekipa mpampiofana mitondra ny anarana GERME na « GERez Mieux votre Entreprise » niarahana tamin’ny Secrétaire Exécutif ny Fihariana sy ny mpiara-miasa aminy, ny OIT, ny Ministeran’ny Jeunesse & Sport, Ministeran’ny Asa sy ny Fandraharahana, ny tale jeneralin’ny Entreprendre à Madagascar.

[ngg src=”galleries” ids=”5″ display=”basic_thumbnail”]

Nosokafana ny Asabotsy 18 may 2019 tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Carlton Anosy ny Programa nasionaly ho an’i Fandraharahana «  Fihariana ».

Ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka BOA sy BNI no nanamarika ny fanambohana izany.

Fandaharan’asa novolavolain’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mba hafahan’ireo Malagasy rehetra izay manana finiavana hananteraka ny tetikasany.

Hahazo fihofanana sy famatsiam-bola amin’ny taha-janabola farany ambany ireo mahafeno ny fepetra rehetra angatahina.

Ny Filoham-pirenena dia nanamafy ary nitondra fanampim-panazavana fa ny « Fihariana » dia hiantoka ny findramam-bolan’ireo tetikasa voafidy, manomboka amin’ny 200 000 Ar (Roa hetsy Ariary) hatramin’ny 200 000 000 Ar (Roan-jato tapitrisa Ariary) amin’ny alalan’ny ireo banky mpiara-miombonantoka. Ny vola dia haverina mandritra ny telo volana ka hatramin’ny telo taona (36 volana), amin’ny zana-bola namoraina sy mifanaraka amin’ny vola indramina. Ankoatra izany dia hamaivanina araka izay azo atao ny antoka takiana amin’ireo mpindram-bola.